Poèmes à la manière de Jean Joseph Rabearivelo

Tatitry ny velakevitra nataon-dRabetalata Chantal : Randja Zanamihoatra sy ny Baiboly
Narivelo Rajaonarimanana — 26/12/2025
Menamasoandro nampiombon-tsaina

Poèmes à la manière de Jean Joseph Rabearivelo
(Tononkalo nosoratana araka ny fanaon’i Jean Joseph Rabearivelo)
Nangonina sy nadikan’i Narivelo Rajaonarimanana
Décembre 2025

1. Brume d’aube

Sous la brume d’aube,
un oiseau sans nom
réveille le silence.

Mon cœur, pareil au ciel,
se teinte de rosée.
Je n’attends rien,
sinon la paix des fleurs
qui ferment les yeux.

1. Zavom-ben’ny vao maraina

Eo ambanin’ny zavom-ben’ny vao maraina,
Vorona tsisy anarana iray
Manaitra ny fanginana.

Ny foko, tahaka ny lanitra,
Miloko ranon’ando.
Tsy miandry n’ino-n’inona aho
Raha tsy ny fitonian’ny voninkazo
Manakimpy ny masony.

2. Offrande

J’ai cueilli la lune
dans le creux de mes mains —
elle tremblait comme un rêve.

Je l’ai posée
sur ton seuil de pierre.
Que son éclat te guide,
ô toi qui dors
dans le sable des anciens.

2. Fanatitra

Nalaiko
Ho eo am-pelatanako ny volana –
Nihararetra toa ny nofy izy.

Napetrako
Teo an-tokonam-batonao.
Aoka ny vakivakin-tarany no hitari-dalana anao
Ianao izay matory
Am-pasiky ny Ntaolo.

3. Écho du soir

Le soir descend,
vêtu d’un chant très doux.

Un souffle ancien
frôle ma joue —
peut-être un mot oublié
dans la bouche des morts.

3. Akon’ny hariva

Mihilana ny hariva
Misalotra tononkira tena fy.

Fofon’aina taloha
Misafo ny takolako –
Angamba teny iray hadino
Tam-bavan’ny maty.

4. Les herbes du souvenir

Les herbes penchent,
et je crois entendre
les pas de ceux
que j’ai aimés.

Sous la terre,
leurs songes respirent encore.

Je tends la main :
rien que le vent.

4. Ireo ahitry ny tsiaro

Miondrika ny ahitra,
ary toa mandre
Ny dian’ireo olona
Notiaviko aho

Ao ambanin’ny tany
Mbola miaina ny nofin’izy ireo.

Natolotro ny tanako kanjo
Tsy nisy afa-tsy rivotra.

5. Lune du haut-plateau

Sur l’herbe rase,
un tambour d’argent résonne :
la lune danse.

Les collines s’inclinent,
les chiens se taisent,
et la nuit se souvient
d’avoir été un poème.

5. Volan’ny lembalemba

Eo ambony ahitra mangadihady,
Midoboka ny amponga vola :
Mandihy ny volana.

Miondrika ny tendrombohitra,
Tsy miloa-peo ny alika,
Ary tsaroan’ny alina
 Fa efa tononkira izy.

6. Mirage

Je marche vers l’horizon.
Chaque pas efface mon nom.
Les nuages sont mes frères,

ils m’emportent
dans leur blanche dérive.

6. Rendrirendry

Mizotra ho eny amin’ny faravodilanitra aho.
Fafan’ny dian-tongotro tsirairay ny anarako.

Rahalahiko ny rahona,
indaosin’izy ireo
Anatin’ny sosam-piviliany botsiaka aho.

7. Chant funèbre

Nulle plainte —
seulement ce frisson d’air
qui passe entre les pierres.

L’âme du défunt
s’élève, légère,
comme un papillon
dans la flamme d’une lampe.

7. Hiram-paty

Tsisy fitarainana¬ –
Izany hovitry ny rivotra no hany
Mandalo an-tsefaky ny vato.

Ny fanahin’ny maty
Miakatra, maivana
Toy ny lolo
Ao anatin’ny lelafon’ny fanaovan-jiro.

8. À la mer lointaine

Ô mer,
je ne t’ai jamais vue,
mais je t’entends
dans le sang de ma mère.

Ton sel brûle encore
sur mes lèvres d’enfant.

8. Any ranomasina andakira

Ranomasina ô !
Mbola tsy nahita anao mihitsy aho
Kanefa reko
Anatin’ny ran’i neny ianao.

Mbola mandoro
Ireo molo-jazako ny siranao.

9. Lettres aux étoiles

Étoiles,
je vous écris
dans l’encre du vent.

Que ma voix,
si petite,
vous atteigne —
et qu’elle s’éteigne en vous
comme une larme de feu.

9. Taratasy ho an’ny kintana

Ry kintana ô!
Manoratra ho anao aho
amin’ny ranomaintin’ny rivotra.

Aoka ny feo
keliko
hiantefa any aminao —
ary enga izy ho faty ao aminao
toy ny ranomason’afo.

10. Renaissance

Quand je mourrai,
que l’on m’enterre
dans le souffle des aloès.

Je renaîtrai
dans le parfum du soir,
dans la rumeur du riz qu’on bat,
dans le rire d’un enfant
qui ne me connaît pas.

10. Fahavelomana indray

Rehefa. maty aho
Aleveno
Ao am-pofonain’ny vahona.

Ho velona indray aho
Ao amin’ny hanitry ny hariva
Ao amin’ny siosion’ny vary velezina
Ao amin’ny hehin-jaza iray
Tsy mahalala ahy akory.

Menamasoandro nampiombon-tsainaNarivelo Rajaonarimanana
• Tononkalo nosoratana araka ny fanaon’i Jean Joseph Rabearivelo. Nangonina sy nadikan’i Narivelo Rajaonarimanana

Ajouter un commentaire

Anti-spam
 
×